<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L.M. Lindeman</author>
<lyrics>[V1]
 Manana fiorenana
 Ny fiangonan'i Kristy ;
 Ela, fa he, tsy levona
 Izy na maro na vitsy ;
 Vavan'ny olo-masina
 Mety ho voatampina,
 Nefa tsy maty ny feo.

[V2]
 Ny fiangona-masina
 Trano tsy mety mikoa,
 Izy no vato velona
 Rafitry ny Ray Tsitoha ;
 Jeso no fehizorony,
 Isika mirafitra aminy,
 Monina ao ny Fanahiny.

[V3]
 Nefa mba misy koa atý
 Trano nataon-tanantsika
 Ho voninahitr'i Kristy,
 Mendrika ho tiantsika ;
 Fa ao no andrenesana
 Ny tenin'Andriamanitra,
 Mamin'ny olona mino.

[V4]
 Ao ny Batisa masina,
 Izay tena ranon'ny aina ;
 Ao Ilay Mpihaino vavaka,
 Tokin'izay mitaraina ;
 Ao koa ny Fandraisana,
 Dia ny sakafo masina,
 Tena aman-dràn'i Jesosy.

[V5]
 Enga ka mba ho fantatra
 Amin'ny tany rehetra ;
 Ilay loharano velona,
 Sady tsy mety ho ritra !
 Raha ny lakolosy velona,
 Faly izay mpivavaka,
 Fa manantena hihaona.

[V6]
 Raiso, ry Kristy, ho Anao,
 Ny fideranay anio !
 Ampandrosoy ny teninao,
 Ny ondry very vorio
 Mandra-pikambany hiray,
 Amin'ny valanao indray,
 Fa Hianao no Mpiandry.</lyrics>
<title>Manana fiorenana ny fiangonan'i Kristy FFPM320</title>
<hymn_number>320</hymn_number>
</song>